Knol will be unavailable during scheduled maintenance starting at Mon, 09 Nov 2009 18:30:00 GMT. We expect the maintenance to be completed at Mon, 09 Nov 2009 20:00:00 GMT.
Version: Baidi441

FANORONA

Jeu de stratégie des Princes de l'Imerina

Fanorona malagasy est un jeu de stratégie des anciens et actuels descendants princièrs de l'Imerina, de la partie centrale et hauts plateaux de la grande ile Madagascar


C'est inouie mais toute la sagesse et stratégies des Princes malgaches sont condensé dans ce jeu ancestrale et aussi danse à l'époque féodale voire encore dans certains traditions contenporains. C'est l'identité qui particularise les Merinas. C'est bizarre mais au temps du Roi Henry IV, le Fanorontelo est gravé sur une dalle sur la rue Férroniere dans la 1ère Arrondissement de Paris avec une fleur de Lys. Jusqu'à maitenant vous pouve encore le trouver pourtant c'est bien avant lui que les anciens malgaches qui pratiquent. La légende veut que c'est Botity (un nain) et Rapeto (un géant) qui l'ont créés pour amuser et jouer la Cour d'après les Histoires des Rois (Tantara Ny Andriana)et recemment une recherche appronfondia a été réalisé par le Trano Kolotoraly Malagasy et notamment le feu Marolongo Malaivandy sur son grand oeuvre "Repoblika Humaniste Ekolojika hoe". J'aimerais bien que les Diaspora sache bien notre culture. Notons que je suis un des Representants Permanents de la Trano Kolotoraly Malagasy en Europe en tant qu'écrivain www.antradplus.com dont le Prèsident actuel est Mr RANDRIANJATOVO Henri
Lovanjanahary L'Héritage Divin (Lovanjanahary) FANORONA: Lakabe Ny Sora-panorona Ilaisivy no azo lazaina ho sarintan'izao tontolo izao, tonga voalohany indrindra teo ampelantanan'ny Olona ka ny Lakabe no toerana afovoany indrindra. Ny Lakabe no maha-Lalao ny Lalao FANORONA: Fiandohan'ny zavatra rehetra, ary fiafaran'ny zavatra rehetra. Tsy misy vatom-panorona, afaka mihetsika sy afaka mandeha raha tsy mifandray tendro amin'ny Lakabe. Antsoina hoe Ivo na centre de l'univers en français. Aina Manan'aina ny Fanorona, hoy ny teny mahazatra ireo mpilalao: ny Lakabe no fototra niandohany sy loharano nisehoany, manome sy mamorona izany Aina izany. Ny Fanorona no maty atoko, fa ny AIna mamelona azy tsy mba mety maty, na ho levona aza izao rehetra izao. Tsy mba nisy roa na telo, ary tsy misy Aina hafa; fa tokana sy iray ny aina mamelona ny zava-boahary manontolo, ary izany Aina maha-fiainana ny Fiainana izany, dia tsy mba mety maty, fa velona sy maharitra mandrakizay. Tamin'ny alàlan'ny Lalao Fanorona: Fanoron-telo sy Fanoron-Tsivy, ary Fanoron-Dimy, no nameloman'ny Ntaolo Malagasy, izany Fahalalana izany. Tsara ho marihina, fa ny firenena malagasy, irery ihany, no mahay sy milalao Fanorona, amin'ny firenena rehetra eto ambany masoandro. Tsy mbola tratry ny saina mandrak'androany, ny fomba namoronany azy voalohany, na ny fomba filalaovana sy fitsipika samihafa mifehy azy. Olona sady tsy mahay manoratra no tsy mahay mamaky teny, anefa, no fantatra fa namorona azy ireny sy fantatra ho nilalao Fanorona voalohany indrindra. Olona Fa iza moa ny Olona, ary avy aiza ka ho aiza? Izany no fanontaniana lehibe mikasika ny Olona sy manodidina ny Fiainan'ny Olona. Ny lahatsoratra manaraka dia saika mikasika manontolo ny Fahalala mikasika ny olona, araka ny fomba nahitany azy sy nameloman'ny Ntaolo malagasy azy. Tsy mba fahalalana norantoavina na nohafarana avy tany ivelan'ny Nosy, fa tandroka niaraka aman-tsofina sy tandra vadi-koditra nentim-paharazana malagasy. Tamin'ny alàlan'ny fahaizana miresaka sy fahaizana ny fiten'ny biby, no nanoritan'ny Ntaolo malagasy ny Fitsipika moraly sy Sosialy, nibaiko sy nifehy ny firaha-monina andavanandrony. Ny toko telo maha-masa-nahandro maha-fiainana ny Fiainana: ny Lasa sy ny Ankehitriny ary ny Ho Avy. Ny kofehy telo olana maha-Olona ny Olona: ny Aina sy ny Saina mamelona ny Taina. Tamin'ny alalan'ny Vato TELO miasa amin'ny Fanoron-Telo, no namelomany ny Kintana TELONOHOREFY sy ny vintana TELO maha-zoro-trano by zoro-trano malagasy, teo amin'ny Fiainana. Ny kintana Telonohorefy no voalaza ho mpanjakan'ny habakabaka sy ny zava-boahary manontolo: Soratànan'Andriamanitra nametrahany ny Didiny ho fantatry ny Olona sy ho tantrahin'ny Olona. Noho io Kintana Telonohorefy io no nampahafantaran'Andriamanitra ny Marina mikasika ny fiainana: ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy, izay tsy misy afa-tsy Refy Tokana ihany, no mampisaraka sy manelanelana azy. Mikasika ny Olona dia mbola amin'ny alàlan'ny Kintana Telonohorefy ihany koa, fa ny Fiainan'ny Olona sy ny Fiaian'ny Zavaboahary manontolo, ary ny fiainan'IZAINAHARY sy NAMORONA azy, dia tsy misy afa-tsy Refy Tokana ihany, no mampisaraka sy manelanelana azy. Ny hevitr'izany dia izao: ny Olona tsy mahay misaraka, sady tsy afaka hisaraka amin'Andriamanitra, na segondra iray monja, fa raha manao izany izy, dia maty, satria, misaraka amin'ny Aina sy ny Saina mamelona ny Taina. Mitsambiki-mikipy tahaka ny manao an'Andriamanitra ho tsy misy, hoy ny Ohabolana malagasy, namelomany izany Fahalalana izany. Fantatri'ny Ntaolo Malagasy tsara fa Vatana sy Fanahy no fitsipika namoronana ny Olona. Ary fa na dia Vatana sy Fanahy aza dia ny FAnahy no Olona. Sariolona ihany ny Vatana fa ny Fanahy no tena olona, izay tsy mba mety maty fa velona madrakizay: Ny Hery tsy mahaleo ny Fanahy. Biby Lesona azo amin'ny fiten'ny Biby, ny fihetsiny sy ny toetrany ary ny fianan'ny Biby manontolo, no nahazoanan'ny Ntaolo malagasy nanoritra ny Fitsipika moraly sy sosialy teo amin'ny fiaraha-monina andavanandrony. Tsy mba nisy sekoly fianarana, tsy mba nisy trano fiangonana, tsy mba nisy boky voasoratra, tsy mba nahay namaky teny sy nanoratra ny Ntaolo malagasy, fa ny Fiainan'ny Biby sy ny Fiainan'ny Zavaboahary manodidina azy, no nianarany sy nampianatra azy, ireo Fitsipika Voa-Janahary rehetra, maha-Fiainana ny Fiainana. Tsy misy zavatra neken'ny sainy ho Marina, raha tsy efa no hitany, nataon'ny Biby sy efa noresahin'ny Biby taminy. Ny Olona miteniteny foana; milaza zavatra tsy misy, mamorona atsanga tsy aman'orana, dia noheveriny ho toy ny olona adaladala, na misy kely sy nahafahana, satria: MAHITA VOLAGNA ALOHAN'NY BIBY. Saika ny karazam-biby rehetra, tsy misy ankanavaka, dia samy mahiratra sy mahita tsara daholo ny masony amin'ny alina. Fahamboniana lehibe mihoatra ny an'ny Olona izany fahitana anatin'ny aizina izany. Iza tokoa moa no mahalala fa na dia ny fiposahan'io Masoandro, iarahantsika manana amin'ny Biby io aza, dia efa mahita azy mialoha, adiny ny telo na adiny efatra mialoha, ny Biby vao mahita ny Olona. Moa tsy fiarahabana ny hazavan'ny masoandro, tonga voalohany eo aminy, no mahatonga ny sahona haneno amin'ny roa ora maraina: Mameno sahona? Moa tsy hafaliana sy fiarahabana ny hazavan'ny Masoandro, tonga voalohany eo aminy, no mahatonga ny akoholahy haneno amin'ny telo ora maraina: Maneno akoho? Rehefa nilaza izany fihetsika, na izany Fiteny mahazatra ny akoho, miarahaba ny fahatongavan'ny hazavan'ny masoandro voalohany, isa-maraina izany, ny Ntaolo malagasy, dia izao no fomba nilazany azy: "Akoholahy sy Masoandro, ka mifamontoana samy lavitra". Anatranatra sy torohevitra samihafa, no azon'ny olona sy nianarany tamin'ny Biby, ka nanoritany: ny Fitsipika moraly sy sosialy teo amin'ny fiainana andavanandrony. Sokajin'olona samihafa Toy izao no fomba nilazany ireo sokajin'olona, manana toetra maimaika, tsy mahandry tantana fa mpanao tefy manta,manao fanahin'akoho: "Tsy aleo ve niadan-ko reniny, toy izay nitsatsaingo-ko zanany". Ny akoho tsy nanidina anie, tsy nahandry ny andro ho zoma (tsy nahazo ny tsodranon-dRay aman-dReny). Ireo olona fatra-pianavonavona, mitompo teny fantatra toy ny antsikely be zarany, tsy mahita afa-tsy ny mikasika ny tenany, ka tsy afaka hijery na hieritreritra ny hafa: "Mitratrevatreva fihavy manao fihavin-dreniomby masiaka, ka sady nanitsaka ny mandry, no manoto ny mitsangana". Anatranatra hahay mandinika sy mamakafaka tsara alohan'ny hanombohan-javatra, no atolony an'ireo mpanao vonjy tavan'andro:"Manaova dian-tana, mijery ny eo aloha sady mitodika ny ao aoriana, miala salohy fito, vao sahy mamindra." Anatranatra no ataony ho an'ireo olona zatra manampatra ny heriny sy ny fahefany amin'ny osa sy malemy noho izy, na ireo tsy manam-piaro sy tsy afaka hiaro tena:" Biby mora, vonoina ireny, ka tsy tongotra hitsipaka, tsy tanàna handrangotra, fa todin'Aina no andrasana" Toy izao no fomba nilazany ireo olona nametrahana fitokisana sy fanantenana, vato nasondrotry ny tany, kanefa, mora mivadika sy mitsipadoha laka-nitàna:"Natao hitsikitsika ivavahana ireny, kanjo papango mifaoka ny akohokely" Ireo olona tsy manana hazon-damosina, fa mora mivadika, mora manaiky, nefa mora mivadika koa raha tojo ny mafy, na sendra mahazo tambitamby, kely foana: "Mora maniry toa tandrok'osy, kanefa, tsy mahafaka zehy, akory, dia mivadika". Ary ireo olona, be ahina sy be ahiahy, ary matahotaho-poana, fatra-pamisavisa ny zavatra tsy misy na tsy mety ho tonga, akory, atohorany sy ahiny: "Be famaritra toy rambon'osy, ka ny lanitra tsy hianjera avy no tohanana" Toy izao koa no namaritany ireo mpihatsaravelatsihy, mpanao sotrobe lava taho, mpila handitra sy tia dokadoka, mpanao lela mamy eo imaso, kanefa, mpanao ambadika sy mandefona ivoho: "Ny torak'amboa maro mpahalala, fa ny fisafeliky ny rambony, no tsy misy mahafantatra". Ireo olona mora manadino sy mora mandao, ary mora manary ny namany, na ireo nirak'ory sy niray alahelo taminy, tamin'ny andro manjombona, dia nohariny amin'ny andrisa, saraky ny namany, ka tsy nafeniny azy ny loza miandry azy sy ny toerana hiafarany: "Tsibotry ve niaraka ihany, ka andrisa va hifandao? Ny andrisa sarakin'ny namany, anefa, dia tataovan_doza lava, satria, mipetraka samborin'ny ankizy, ary manidina enjehin'ny vorona". Ireo olona be fialonana, malahelo ny tombotsoa ho an'ny hafa, satria, tsy azo faritana hoa azy samirery, manao fanahin'akohokely toraham-potsimbary, faly mahita ny sakafo be mitobaka eo anoloana, kanefa, malahelo ny hihinan'ny sasany azy, satria kely loatra ny tehinanany, ka tsy ampy hampidirana azy rehetr: "Faly sahirana toy ny akohokely notoraham-potsimbary". Anatranatra no ataony ho an'ireo tsy mahay mampionon-tena, fa be alahelo sy mitomany lava, tsy mahay manadino ny zavatra efa lasa, fa misentosento lava: " Ny roso tsa mimpody koa, koa hadinoy ny lasa, ary todiho ny ho avy: ataovy toy ny reniomby, maty anaka, ka sady mimà no miaraok'ahitra".

Comments

Comments are moderated, and will not be visible until one of the authors of this knol approves.

Henri Iharinirina RANDRIANARIVONY
Henri Iharinirina RANDRIANARIVONY
Chef d'Entreprise at AsCI RANDRIANARIVONY
Nanterre
Article rating:
Your rating:

Reviews

    Knol translations

    Activity for this knol

    This week:

    6pageviews

    Totals:

    240pageviews
    2comments